Mpianatra miisa 1.400 no tafaverina an-tsekoly taorian’ny fialana sy fitsoahana ary tsy fandehanan’izy ireo an-tsekoly vokatry ny krizy teo ho an’ny faritra Atsinanana. Nitsidika ivontoerana iray ho fanabeazana mialoha azy ireo alohan’ny hiverenany amin’ny tena fampianarana ireo ankizy amin’ny taom-pianarana 2014 – 2015, ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Atoa Rabary Paul
. Kilasy efatra isaky ny Cisco izay ahitana mpianatra 50 avy eo anivon’ny faritra atsinanana no nametrahana izao ivo-toerana izao, ka ny iray teo anivon’ny Cisco Toamasina I no notsidihan’ny minisitra izao. Nisy noho izany ny fandraisana mpampianatra manokana hisahana ireto mpianatra beazina manokana noho ny fialany tamin’ny fianarana ireto, mba hamerenana fahaizana sy fahalalana haharaka ireo namany amin’ny fidirana ofisialy. Karamaina 150.000 Ar isaky ny mpanabe izy ireo izay iarahan’ny minisitera miasa amin’ny Unicef ny fandoavana ny karamany. Notoloran’ny minisitra “kits scolaires” ireto mpianatra ireto tahaka ireo namany hahazo izany koa amin’ny fidirana ofisialy ara-panjakana. Nomena fanofanana manokana ihany koa anefa ireo mpampianatra teny frantsay ao Toamasina, hanatsarana ny fampitana izany amin’ireo mpianatra ambaratonga fototra. Ankoatra izay, nanao fivoriana nandritra ny 3 andro tao amin’ny lapan’ny Tanàna ireo komity misahana ny famindran-toerana mpampianatra eo anivon’ny minisitera sy ny Dren 22. Nandritra izany no nandraisana ireo fitarainana maro be voarain’izy ireo momba ny talen’ny fari-piadidiam-pampianarana manerana ny nosy. Anisan’ny voaresaka ihany koa nandritra ny famaranana ny dinika izay natrehan’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, ny momba ilay fivoahana laza adina mialoha nitranga tao Soanierana Ivongo izay naha hentitra ny minisitra fa tsy maintsy mizaka ny vokatry ny zavatra nataony ireo nanao izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.