Voakianan’ny maro ho anisan’ny minisitera anjakan’ny resaka kiantranoantrano sy ny kolikoly ary ny gaboraraka tanteraka ry zareo eo anivon’ny fanabeazam-pirenena tarihan’ny minisitra Paul Rabary.
Anisan’ny tena mampimenomenona ireo mpampianatra Fram maro, ohatra, ny lisitra navoakan’ny minisitera ho an’ireo izay voaray ho mpiasam-panjakana ka nahatonga ny fanambarana fa tena feno kolikoly tanteraka ny fisafidianana natao. Tamin’ny fitafana fohy taminy no nanambaran’ny minisitra fa rariny raha be ny fanakianana nisy satria natahotra ny rehetra fa hoe tena tsy tafiditra tao anaty lisitra ny tenany. Mbola lisitra vonjimaika iny ka miandry hatramin’ny 15 oktobra izahay hanatanterahan’ny rehetra fanakianana ataony mba hanitsian’ny avy ao amin’ny DRH ny lisitra sy amoahany ny tena izy, hoy izy.
Ny amin’ny fanontaniana milaza ny mbola fiahian’ny olona amin’ny fandoavana na tsia vola eny amin’ny sekolim-panjakana toy ny Epp dia nanambara Atoa Paul Rabary fa ny fanjakana dia tsy mitaky vola amin’ny mpianatra fa izy aza mandoa vola eny amin’ny sekoly hanatevenana ny « caisse ecole » sy mbola manome « subvention » azy ireo. Efa napetraka eny anivon’ny fitantanana ny Epp rehetra, hoy izy, ny « Caisse Association » iarahan’ny talen-tsekoly sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra ary ny fokontany na ny kaominina mitantana ka izy ireo no mamoaka miaraka ny « caisse école » sy ny « subvention » azon’ny sekoly miaraka amin’izay latsakemboka voarain’ny Fram.
Mikasika ny fanoloana na famindrana toerana an’ireo talen-tsekoly samihafa sy ireo “Chef cisco » na Dren ihany koa dia tsy misy fanaovana halako bika sy tsy tiako tarehy izany fa nisy ny tombana natao amin’ny maha mpiasam-panjakana azy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.