Nanazava ny minisitry ny fampianarana Paul Rabary fa ilaina ny miroso amin’ilay rafi-panabeazana vaovao dia ny famitana izany ao anatin’ny 3 taona in-telo miantaona na 9 taona
. Ny antony dia noho ny fahatsapana fa tsy vita hatramin’ny farany ny rafitra teo aloha izay 7 taona. Anisan’ny tanjona amin’ny fametrahana ny rafitra vaovao ny hanazavana ny sain’ireo ray aman-dreny sy ny mpianatra fa tsy ho sakana amin’ny fidirana amin’ny CEG intsony ny CEPE na koa hoe ny diplaoma CEPE no ho fetra ahafahana manambady fa mba ho BEPC no hatao tanjona. Araka ny drafitra voalaza mikasika ity rafi-pampianarana vaovao ity dia ny hahaizana mamaky teny sy manoratra no tanjona amin’ny 3 taona voalohany. Handalinana ny fianarana sy ianarana tenim-pirenena hafa kosa ny 3 taona faharoa ary hianaran’ireo mpianatra miatrika ny fiainana ny 3 taona fahatelo. Mbola miteraka adihevitra hatrany eo amin’ireo mpanara-baovao moa ny mikasika ity rafi-panabeazana vaovao kasaina hampiharina ity na dia efa teo aza ny fiezahan’ny avy eo anivon’ny minisitera hanazava izany. Mbola maro ny tsy fahatomombanana, araka ny fanazavana, satria dia vao omaly maraina ny minisitra no nanambara fa sekoly tsy miankina 600 no tsy manara-penitra nandritry ny fandalovany tao Mahajanga.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.