Maha be resaka ilay fikasan’ny fitondrana hanatanteraka ilay hoe «Congrčs du14 octobre» hamoriana ireo kandida Filoham-pirenena teo aloha sy lehiben’antoko politika mba hiarahana mijery ny resaka fampihavanam-pirenena, hanovana ny governemanta,
ary hananganana izany «Plateforme pour la stabilité» na mandan’ny fitoniana izany. Haneho ny heviny mikasika an’io ny VPM/MMM, antoko tarihin’i Hajo Andrianainarivelo anio. I Patrick Raharimanana kandida filoham-pirenena tamin’ny 2013 indray milaza fa «tsy mbola nahazo fanasana» momba izany hatreto, ary «tsy mahafantatra izay mikarakara azy». Na izany aza dia nilaza ity filohan’ny antoko «Vitatsika io» ity fa tsara hatrany ny mifandinika, fa tokony hanara-dalàna hatrany isika. Raha misy ampahany amin'ny tondrozotra tsy mbola tanteraka, hoy izy, dia aoka hotanterahina, nefa azo hitadiavana vahaolana sy hifandinihina izay andalana mety manahirana, toy io resaka andininy faha-20 milaza hoe malalaka ny Filoha Marc Ravalomanana hiverina an-tanindrazana, nefa misy ilay andininy faha-45 milaza koa fa azo gadraina izy raha tonga eto Madagasikara. Nahitsy ny heviny fa aoka havoaka izay gadra politika rehetra, hosokafana sy halalaka ny asa fanaovan-gazety, ny fahitalavitra, onjam-peo nikatona rehetra araka izay lalàna misy. Esory any iny resaka andininy faha-20 «cybercriminalité» iny, izay manasazy ny fitsikerana ny mpitondra. Tolo-kevitr’i Patrick Raharimanana koa ny hanalalana ny fanehoan-kevitra ao amin’ny RNM sy TVM, ka hamerenana ny fandaharana feon-gazety sy adihevitra azon'ny rehetra andraisana anjara. Avoahy ny lalàna fampiharana mifehy ny mpanohitra. Raha misy kosa hevitra hanovana ny praiminisitra dia nilaza ity kandida filoham-pirenena ity mba hohajaina ny lalàmpanorenana milaza fa izay ny antoko na vondron'antoko maro an'isa no manolotra ny praiminisitra. Raha misy andalana misavoritaka, toy ny andininy faha-54 mikasika an'iny fanendrena ny praiminisitra iny, dia aoka ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana hamoaka didy hanondro izay antoko maro an'isa ao amin'ny Antenimiera ankehitriny. Raha misy eritreritra te hanova ny lalàmpanorenana dia aoka hanara-dalàna ihany koa, ka hasiana fitsapan-kevi-bahoaka hahafahana misafidy lalàmpanorenana maromaro.
Mijaly ny vahoaka
Nanamarika anefa i Patrick Raharimanana fa mijaly ny vahoaka ary tsy mahandry izany resabe izany intsony, ny fampianarana efa manahirana azy, ny herinaratra tapaka lava, ny vidim-piainana efa tsy zaka intsony, ny solika tsy mitsahatra miakatra, ny fahasalamana efa tsy takatry ny vola, na tsy misy amin'ny faritra maro, ny fandriampahalemana efa tsy lazaina intsony. Ny fifidianana ireo mpitondra any amin'ny faritra tsy misy tokotaniny, ny vahoaka efa tsy matoky ny mpitondra sy ny mpitsara intsony, ka dia ny fitsaram-bahoaka no manjaka. Ireo mpiara-miasa iraisam-pirenena mbola mandroso mihemotra feno fisalasalana, maro ny orinasa mikatona. Ka aoka isika mpanao politika sy mpitondra fanjakana voafidy izay nametrahan'ny vahoaka fanantenana tsy ho lany andro mifanasa vangy sy mifamingana ary maro kajikajy politika ho tombontsoa manokana fotsiny. «Fotoana hamondronana ny fahaizana sy ny traikefan'ny Malagasy rehetra izao hampandrosoana ny faritra rehetra, hamoronana asa ho an'ny tsirairay, hisian'ny tena fampihavanana marina sy fiandrianam-pirenena tsy hiankinana amin'ny vahiny», hoy i Patrick Raharimanana namarana ny teniny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.