Voasakan’ny polisy teny Ankorondrano omaly tolakandro ny fiara nitondra ny mpitandrina Lala Rasendrahasina filohan’ny birao foiben’ny Fjkm.
Natao ny fitsirihana sy ny fisavana ny taratasy ary dia nanapa-kevitra ireo mpitandro ny filaminana fa dia hoentina eny amin’ny commisariat central eny Tsaralalana ity filohan’ny Fjkm ity. Antony : fiara misy « vitre fumé » no nitondra azy, ary nilaza ireo polisy nanakana araka ny fampitam-baovao voaray fa hoe « tsy fantatray ianao tompoko ka aleo aloha manaraka anay any amin’ny birao ». Nanaiky am-pilaminana izany ny mpitandrina Lala Rasendrahasina ary dia nankeny Tsaralalana fa hoe tsy maintsy mihaona amin’ny lehiben’ireo polisy ireto, hono. Ora iray teo ho eo no nijanonany tao amin’ny commissariat central ary rehefa nifampiresaka sy nifanazava dia afaka nody soa aman-tsara ihany izy. Ao anatin’ny hetsika fanaraha-maso moa ny polisim-pirenena amin’izao fotoana, araka ny fanazavana voaray ka jerena manokana ny fanajana ny fametrahana ny fehikibo (ceinture de securité), ireo fiara vaovao WWT sy ny fiara misy fitaratra matroka (vitre fumé). Antenaina kosa anefa fa mba ho sahy hanakana ireo fiara rehetra misy « vitre fumé » eny amin’ny arabe ny polisy ka hanao ny asany tahaka ny nataony tamin’ity filohan’ny Fjkm ity, ary antenaina ihany koa fa mba hanana fanetren-tena ka hanaiky ny toromariky ny polisy tahaka ny mpitandrina Lala Rasendrahasina ireo rehetra tratran’ny tranga tahaka izao satria tsy misy tokoa ny ambonin’ny lalàna ary misy ny fotoana tsy maintsy hifampiresahana sy hifanazavana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.