Nangina tsy re fotoana elaela ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF). Mafampana anefa ny toe-draharaham-pirenena.
Nisy ny resaka nifanaovan’ny Tia Tanindrazana tamin’ny Pasitera Randriamisata Roger, iray amin’ny mpitarika ny HMF mahakasika izany.
Tia Tanindrazana (T.T) : Tsy hita sy re ianareo HMF nandritry ny elabe, mahita ny raharaham-pirenena ho efa mandeha sa nifindra lasy ?
Randrimisata Roger (R.R) : Teny amin’ny Haino aman-jery dia tsy niteny tokoa izahay fa any amin’ny ambany tafontranon’ny mpitondra sy ny Tompon’Andraikitra samihafa dia tena miteny izahay ary ny tenako manokana dia tsy misalasala mifampiresaka amin’ny Mpitondra ny firenena, rehefa nilaina izany. Isaorana azy ireny fa nisy ny fifampihainoana sy ny fifanakalozan-kevitra ao anaty fifanajana. Ny lasinay dia ny fahamarinana ka ny hanao izay hampitoetra izany eto amin’ny firenena no tolona himatimatesanay. Fantatrao fa namotsipotsitra ireo tsy fahamarinana nandritry ny tetezamita izahay nanomboka ny taona 2009 ary nilaza fa tsy sitrapon’Andriamanitra ny fitondran’izy ireo ny tany sy ny fanjakana, tamin’ny fahefana nalaina an-keriny. Mbola tanako izany teninay izany ary tsy hafa tsy akory izao fitondrana izao fa fianakaviamben’ny Mpitondra tetezamita ihany.
T.T : Inona Tompoko no azonao lazaina momba ireo toe-draharaha mafampana eto amin’ny firenena ?
R.R : Mitampim-bava aho ! Tena hita fa anaty fahasahiranana ny lalina ny firenena. Tokony ho haintsika koa anefa ny manavaka ireto zava-droa loha ireto : Misy ireo olana tena tsy tafavoakan’ny Mpitondra mihitsy ka mitambesatra ao andamosin’ny vahoaka Malagasy, toy ny tsy fahafehezana ny vidim-piainana hany ka manaka-danitra avokoa ny vidin-javatra ka mitontongana ny fari-piainan’ny Malagasy maro an’isa nefa misy ny migalabona amin’ny volabe sy ny fiara raitra. Any andafy no miantsena ny sasany ka mahatonga fahasosorana sy hatezerana izany dia io no mampafampana ny toe-draharaha eto amintsika, toy ny any Soamahamanina, ireo grevy mitady hipoitra indray … Eo anilan’izany, dia misy koa ireo Mpanao Politika manina ny sezany taloha, na dia vao haingana aza izy ireny no teo ary tsy dia hoe nahavita inona loatra ka miezaka manao « film dramatique », raha vao misy zava-mitranga tsy dia toa inona akory. Mandranitra Vahoaka mba ahazoan-toerana indray. Mino aho fa takatry ny Vahoaka ireny fa tsy adala akory izy.
T.T : Toa tsy mba hita mihitsy amin’ireo hetsi-pitakiana samihafa izay heverina fa ara-drariny inareo HMF na ianao manokana tompoko ?
R.R : Izany koa no tsy ahitanareo anay sy tsy mbola hahitanareo ahy na ny HMF handray anjara amin’ireo Hetsim-panoherana sy fitakiana lazaina ho ara-drariny etsy sy eroa : Fitakiana ny “Iles Eparses” e, fahafahana miteny e, Mitsangana e sy ny maro tsy voatanisa. Milaza ny marina aho raha sahy miteny hoe : Tsy ny olona nanao be marenina nandritry ny tetezamita, nanagadra mpanao gazety ary nahafaty ny sasany tamin’ireny mihitsy aza, nampiasa herim-pamoretana isaky ny mihetsika ianao, nanao hazalambo izay tsy tiany... tsy ireny akory no hilaza fa mitaky fahafahana na hanohitra ny fampiasan-kery. Ny fiovampo tao antin’izay taona vitsivitsy tsy naha teo amin’ny fitondrana izay no tsy fantatro, fa tsy mino aho hoe : izay nampandohalika ny Malagasy omaly no hitaona azy hoe : Mitsangana ! Mbola ilaina ny fampihavanana azy ireo amin’ny vahoaka Malagasy vao mety hisy izany fiovana izany eto amintsika. Heveriko ihany koa fa tena ilaina ny hanohizana ny fampihavanam-pirenena ary hatao am-pahamarinana fa tsy dia ny lafiny Politika fizaran-tseza sy fahazoan-toerana na resaka Antoko indray no hibahan-toerana amin’izany !
T.T : Toa mafampana koa ny raharaham-piangonana, indrindra ao amin’ny Fiangonana misy anao, inona no azo ambara Pasitera ?
R.R: Tsy mafampana izany ny raharaham-piangonana ka ! Mafana fo hanompo an’Andramanitra ao amin’ny Fiangonana misy azy ny mino no marina kokoa. Ao amin’ny Fiangonana misy ahy ? FJKM aho ka ! Hum... Fomban’ny Fiangonana misy anay ny manao Synoda isaky ny efatra taona mba handinihana sy hanapahana ny momba ny asan’Andriamanitra. Mafana ny fanomanam-pivoriana ary ny tsapako dia samy maneho fahavononana hanompo marina an’Andriamanitra ny mino. Ny manahirana dia ny fisian’ny olona sasany, mahita volana alohan’i Habib ka mitatitra izao honohono rehetra izao eny amin’ny haino aman-jery. Ny fahalalako azy dia milamina ny Fiangonana ary ny iriako dia ny hoe : samia mivavaka ho an’ny Fiangonana misy azy fa aza lany andro manaratsy ny an’ny hafa !
T.T : Ahoana ny fahitanao ireo lalàna nahabe resaka ny olona, toy ny “Code de la communication”, ny Lalànan’ny fampihavanana… ?
R.R : Mila dinihana tsara ny lalàna mba hahasoa ny firenena. Ny manahirana eto amintsika dia ireny lalàna ireny toa voarefy hitovy endrika amam-bika amin’izay eo amin’ny fitondrana na hatao tery mba hisakanana ny hafa izay fantatra fa mety ho tiam-bahoaka tsy ho afaka mandray anjara amin’ny raharaham-pirenena. Raha ny fahafahana no gejaina dia toy ny rano mafana anaty tavoahangy io ka rehefa tampenam-bava sy mihontsana ela tsy maintsy mipoaka ihany ary loza ny fipoakany. Efa voalazako tery aloha moa ny momba ny fampihavanana izay hiangaviana ny fahendren’ny Mpitondra mba tsy ho resaka politika ranofotsiny indray no hanjaka ao.
T.T : Hiverenana kely ny momba ny Finoana, inona marina no tena anjara toeran’ny Fiangonana eo amin’ny raharaham-pirenena, araka ny hevitrao ?
R.R : Tsy tokony hafangaro amin’ny olom-piangonana manana andraiktra politika ny Fiangonana misy azy ary tsy hitako izay hifampialonana raha mahafoy be, ho an’ny Fiangonana misy azy ireny olom-pirenena ireny ; raha tsy hoe : “volam-bahoaka” angaha no hanaovana izany amin’ny fanomezan-tombondahiny manokana ? Ny Fiangonana dia Mpaminanin’ny firenena fa tsy mpanohana na mpanohitra fitondrana ny anjara toerany. Milaza ny hafatr’Andriamanitra amin’ny toe-javatra rehetra izy : mampahery, mananatra, ... fa zanany avokoa ny hendry sy ny maditra !
Fa hohararaotiko etoana koa ny miresaka momba ny finoana hafa izay mahabe resaka eto amin’ny firenena. Tsy hitako loatra izay antony hatahorana ny fivavahana hafa, raha hitondra fihavanana sy hanamafy ny filaminana eto amin’ny firenena. Malalaka ny finoana ary samy afaka manaraka izay finoana tiany ny rehetra. Tokony hanana politika mazava momba ny resaka fivavahana kosa anefa ny fanjakana mba tsy ho gaboraraka ny momba ny fivavahana ka sanatria hitera-doza ho an’ny fiarahamonina izany. Miroborobo ny fivavahana Kristianina eto Madagasika ary azo lazaina fa manjaka ny kolontsaina Kristianina na eny anivon’ireo tsy Kristianina aza. Sahiko ny milaza fa antony lehibe mbola mampilamina ny fiarahamonina io, noho ny kolontsaina Kristianina mitaiza ny olona ho tony sy milamina. Koa heveriko fa fahendrena ny mitana ny firenena amin’izany toerany izany. Mino aho fa tsy irian’ny havantsika Silamo na oviana na oviana ny hivadihan’ny firenena Silamo goavambe toa an’i Malezia na i Arabia Saodita... ho lasa Kristianina, dia mba toy izany koa isika.
T.T : Pasitera ve mihevitra ny handray andraikitra amin’ny raharaham-pirenena ?
R.R : Mila olo-marina sy tena tia marina ny tanindrazany ny firenentsika. Tsy lany olomanga ny firenena. Ny Kristianina olom-pirenena rehetra dia tokony ho vonona hanompo ny fireneny amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. Mirary soa, samia ho tahian’ny Tompo isika.
Nangonini Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.