Actualités

Pasipaoro nomerika Tafakatra 800 ireo nisoratra anarana


  • Alakamisy 08 Janoary 2015

Nifarana ny alarobia 31 desambra taona 2014 lasa teo ny fampiasana ny pasipaoro biometrika ho an’ireo mpiray tanindrazana mpivezivezy any am-pitandranomasina

Novaina ho lasa pasipaoro nomerika mantsy izany ka taorin’io daty voatondro io dia betsaka ireo naverim-potsiny  na dia efa tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato aza. Vokany, nifanotofana ny fanatonana ny sampandraharaha manara-maso ny fivoahana sy ny fidirana eto an-tanindrazana etsy Anosy nanomboka ny alatsinainy lasa teo. Tafakatra 800 isa ireo efa nisoratra anarana, raha ny fanazavan’ny kaomisera N’diaye Jean Meambly Tidahy tamin’ny mpanao gazety omaly. Niakatra ho 110.000 Ar ihany koa ny sarany manao izany, asa tsy maintsy vitaina ao anatin’ny iray andro sy tapany. Mampiavaka ity pasipaoro nomerika ity amin’ny teo aloha moa raha tsiahivina ny firaiketan’ny momba ilay olona tompony  anatina puce kely

Ny kaomisera N’diaye Jean Meambly Tidahy, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny sampandraharaha manara-maso ireo olona mivoaka sy miditra eto an-tanindrazana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT