Actualités

Pasipaoro diplaomatika Natokana ho an'ireo olom-panjakana ambony ihany


  • Alakamisy 12 Septambra 2019

Araka ny fanapahan-kevitra navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) lah° 16-HCC / D3, tamin'ny 05 septambra 2019, mametra ny fitsipika anatiny ifampifehezan’ny Antenimieram-pirenena, voatsiahy ao amin’ny fanapahan-kevitra navoakan’izy ireo lah° 07-HCC / D3, tamin'ny

 

 

 

 2 mey 2014 mikasika ny didim-pitondrana mametra izany fitsipika anatiny izany, izay nanamarihan’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana fa : "Ny fahazoana mampiasa ny pasipaoro diplaomatika sy ny pasipaoro hanaovana serivisy, dia voafehin’ny lalàna apetraky ny rafitra mpanatanteraka". Ao amin’ny and. faha-2 amin’ity didim-panjakana ity ihany, dia voalaza fa "ny pasipaoro diplaomatika dia natokana ho an'ireo olom-panjakana ambony eto amin’ny Repoblikan'i Madagasikara, izay voatanisa mazava ao anatin’ity didim-panjakana manan-kery ity, sy ireo tompon'andraikitra amin'ny asa ara-diplaomatika sy ao amin'ny kaonsily eto amin'ny Repoblikan'i Madagasikara, mandritra ny asa ataon’izy ireo any ivelany hisoloany tena ny Governemanta malagasy". Afaka mampiasa ny pasipaoro diplaomatika mandritra ny fotoana maharitra na voafetra ihany koa, ny vadin'ireo tompon’andraikitra ambony sy ny zanany  tsy mbola ampy taona na latsaky ny 21 taona tsy mbola manambady. ankoatr`ireo depiote sy loholona… Tsiahivina fa ny fampiasana ny pasipaoro diplaomatika dia fehezin’ny lalànan’ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fenitra diplaomatika azo ampiharina amin'ny Fanjakana rehetra, anisan'izany ny Fifanarahana natao tany Vienne momba ny fifandraisana ara-diplaomatika tamin’ny 1961.

Araka ny fepetra voalazan'ny andininy faha-4 ao amin' ity didim-panjakana ity ihany, ny Filohan'ny Repoblikan’i Madagasikara; Ny Praiminisitra sy ireo Mpikambana ao amin'ny Governemanta;  Ny Filohan’ny Antenimieran-doholona, ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena ary ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana; Ireo Solombavambahoaka, ireo Loholona, ary ireo Mpitsara momba ny lalàmpanorenana; Ireo Masoivoho, ireo mpiandraiki-draharaha ary ireo Kaonsily jeneraly; Ireo Kaonsily « Honoraires »; Ireo Manam-pahefana sivily na miaramila, ireo mpiasa manana ny sokajy A5 ao amin'ny departemanta foiben’ny minisiteran'ny raharaham-bahiny, ireo olona mitàna ny laharan'ny lehiben'ny fizaran’ny sampandraharaha no miakatra, na koa ireo tompon’andraikitra mifandray amin’ireo solontena ivelan’i Madagasikara.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT