Tonga nitsidika an`i Madagasikara ny delegasionan`ireo parlemantera « panafricain » (PAP) izay tarihan`ny filoha Roger Nkodo Dang.
Nitsidika tamin’ny fomba ara-panajana ireo filohana Andrimpanjakana ireto mpikambana ny birao maharitra eo anivon`ny parlemantera panafrikanina (PAP) mba handresena lahatra ny fitondram-panjakana, parlemantera, manampahefana isan-tsokajiny hampihatra ny fifanarahana natao tany Malabo ny taona 2015. Andrasana hatramin`izao ny fanatanterahan`i Madagasiakra izany, hoy ny filohan`ny PAP, Roger Nkodo Dang. Anisan’ny dinika natao ny fanentanana ny miralenta mba hahafahana mandanjalanja, hanome tanjaka amin`ny parlemantera vehivavy. Mitondra tombony kokoa eo amin`ny lafiny fiaraha-mientana izany. Hevitra fototra mba hahafahan`ny PAP hanana fahefana mpanao lalàna. Izay no ahafahany mandanjalanja ny adihevitra amin`ireo mpanatanteraka eo amin’nysehatra afrikanina, izay mitovy amin`ny firenena iray ihany ka anisan`ny lehibe, hoy izy. I Madagasikara dia efa nanasonia ny fifanarahana ary firenena faha-12 nanasonia kanefa tsy misy solontenan`ireo parlemantera eo anivon`ny PAP. Solontena dimy no andrasan`ny panafrikanina ka mitaky vehivavy, mpanohitra ary parlemantera manohana ny fanjakana. Betsaka kosa ny firenena tsy nanasonia izany ka tsy hahafahana miroso. Ny tanjona dia ny fahafantaran`ny PAP ny zava-misy eto. Antony dia rafitra “Bicamerisme” na hoe antenimiera roa no fahefana mpanao lalàna eto amintsika ka hanamafisana ny lalàmpanorenana. Raha misy kosa ny fanovana dia mba mijanona ao anatin`ny ara-dalàna, hoy hatrany izy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.