Mitohy ny fanadiovana sy fandaminana ny tanŕna ataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Mampahatsiahy ity farany fa voarara ny mivarotra amin’ny toerana tsy nahazoan-dalana, voakasik’izany ny varotra fiara eny amin'ny “parking”.
Voarara ihany koa ny fivezivezen'ny posiposy sy sarety tarihin-tanana ary saretin'omby eto an-drenivohitra isan’andro manomboka amin'ny 6 ora maraina ka hatramin'ny 7 ora hariva. Lalàna misy io, ary ampiharina. Misy ny sazy mifandraika amin’izay mandika izany toy ny fampidirana "fourrière" sy fandoavana lamandy, hoy ny fanazavana. Mitohy hatrany koa ny fanisana ny fiarakaretsaka sy ny taksibe.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.