Tovovavy malagasy iray, 19 taona, no maty tsy tra-drano voatsatotsakoka antsy teo amin’ny tendany tao ambany rihan’ny trano lehibe iray ao Ménilmontant
Boriborintany faha-19 ao Parisy Frantsa. Razana mihoson-dra sy ra niparitaka teny amin’ny tohatra avy any amin’ny rihana voalohany no hitan’ny mpifanolo-bodirindrina vao maraina omaly. Tovovavy tso-piaina, tsy dia be resaka ity maty ity, hoy ny manodidina. Misy havany miara-mipetraka aminy. Misokatra ny fanadihadiana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.