Actualités

Parc Ankarafantsika Misy manondrana hazo an-tsokosoko


  • Alakamisy 08 Oktobra 2015

Ripaka tanteraka ny ampahan’ny ala ao Ankafantsika Mahajanga amin’izao fotoana izao na dia efa natokana ho ala arovana aza. Misy andian’olona maro no mitrandraka ala ao amin’io faritra arovana io ka ny hazo hanaovana harona sy fanaka no alain’izy ireo.

 

Araka ny loharanom-baovao izay voaray dia andro alina no hanapahana ireo ala ireo no sady hamoahana azy ao amin’ny faritra manodidina. Raha ny fantatra anefa dia efa nisy ny tatitra nataon’ireo vondron’olona ifotony mpanara-maso ny ala tamin’ny fanjakana saingy tsy nisy nihaino ny tatitra natao. Vokatry ny fahasimban’ny ala ao Ankarafantsika io dia mifindra toerana avokoa ireo biby ao anatiny. Ny tena mahavariana dia ireo hazo tsy fahita ankoatra ny eto Madagasikara ireo kapaina hosimbana ireo. Mahavariana anefa dia misy mpanara-maso hentitra ao amin’ny toerana arovana sy fitsangantsanganana manana ny maha izy azy ao Mahajanga fa nilaza ny tsy mahita ireo ala potika. Midika izany fa mety ho iray tsikombakomba amin’ireo mpanimba ala izy ireo. Manginy fotsiny ny doro tanety ataon’ireo olona mipetraka manodidina ny “parc”. Laharana voalohany ny faritra Boeny amin’ny fahasimban’ny ala eto Madagasikara ka ireo ala efa kely sy hotandremana indray ity no misy manimba ka sarotra ho an’ny faritany Mahajanga ny hanana toetr’andro ara-dalàna.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT