Miantso ny tompon’andraikitra rehetra eto an-tanàna mba hijery akaky ny fako etsy amin’ny Paraky Soanierana fa efa tsy rariny intsony.
Mijaly ireto vahoaka mipetraka manodidina sady tsy misy lalana handehanana no miaritra ny fofona kanefa tsy maintsy mivelona eo avokoa izy ireo, hoy ny antso avo sy fitarainana. Ny mpivarotra tsy miala eo anatrehan’ny fako be misavovona. Atahorana mafy ny areti-mifindra"Pesta" ka dia manaitra ny fanjakana sy ny CUA mba hijery akaiky mba tsy ho maizina am-pototry ny mazava ny vahoakan’ny boriborintany faha-4, hoy hatrany ny fanairana. Anisan’ny kiana mivaivay nataon’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny 26 novambra 2019 nialoha ny fifidianana ny loto eto Antananarivo. Mety nahatonga azy nanambara fa hanome kamio 15 sy vola 10 miliara ariary ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Efa tsy misy olana ara-politika intsony eo amin’ny mpitantana satria iray antoko ny filoha Andry Rajoelina sy ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina. Manantena vokatra azo tsapain-tanana ny olona amin’ny fandaminana ny tanàna, ny fahadiovana, ny fihatsaran’ny sosialim-bahoaka,… Inoana fa handray andraikitra avy hatrany ny ben’ny tanàna eo anatrehan’ny zava-misy tahaka itony loto ampitaina itony satria mety tsy ny fitaovana sy ny hoenti-manana no olana fa ny tatitra avy amin’ny vahoaka no tsy tonga any amin’ny mpitantana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.