Actualités

Papisy Ialfine Ambany ny tahan’ny kolikoly rehefa vehivavy no Ben’ny tanŕna


  • Zoma 21 Novambra 2014

Tsy anisan’ireo firenena hahatratra ny Tanjon’ny Taona Arivo Fahatelo nifanarahana hotratrarina amin’ny taona 2015 i Madagasikara. Anisan’izany ny mikasika ny miralenta izay novoizin’ny firenena Malagasy hatramin’ny taona 2008. Io sehatra iray io no horesahantsika miaraka amin’ny «Country Manager» avy amin’ny fikambanana «Gender Links» Papisy Ialfine anio. Tafatafa.

Tia Tanindrazana (TT) : Inona no azo ambara mikasika ny «Gender Links» ?

Papisy Ialfine (PI) : Fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ny «Gender Links» izay manana ny foibeny ao Afrika Atsimo. Miasa aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika ao anatin’ny firenena miisa 15. Nanokatra ny birao ofisialy i Madagasikara tamin’ny taona 2011. Efa niasa teto amin’ny firenena Malagasy nanomboka 2008 kosa ny fikambanana niaraka tamin’ny mpiara-miombon’antoka.

TT : Inona kosa no asa sy andraikitry ny fikambanana ?

PI : Mifantoka tanteraka amin’ny fampiroboroboana ny miralenta ka misandrahaka amin’ny lafiny ara-toekarena, politika ary sosialy. Tsy maintsy manomboka amin’ny fikarohana foana ny asan’ny fikambanana. Avadika tetikasa avy hatrany ny vokatry ny fikarohana.

TT : Fikarohana toy ny ahoana no natao hoan’i Madagasikara ?

PI : Asa fikarohana momba ny fifandraisan’ny vehivavy sy ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-Pahefana amin’ny sehatry ny fampandrosoana no notanterahana teto Madagasikara. Ny valiny dia tena misy ifandraisany satria mihoatra ny 50% ny vehivavy. Raha tsy mandray anjara ny vehivavy dia mitongilana ny fampandrosoana. Hita taratra ihany koa fa samihafa ny laharam-pahamehana ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy. Midika io fa tsy voaresaka mihitsy ny zavatra manan-danja ho an’ny vehivavy raha tsy mandray andraikitra ny andriambavilanitra. Ilaina noho izany ny fiarahan’ny lahy sy ny vavy miara-manapa-kevitra eny ifotony. Tokony hojerena miaraka ny hetahetan’ny lahy sy ny vavy ahatongavana amin’ny tena fampandrosoana.

TT : Misy ve ireo sakana tsy ahafahan’ny vehivavy miditra eny anivon’ny VIP ary azo fantarina ve ny mampiavaka ny fitantanan’ny lehilahy sy ny vehivavy ?

PI : Sakana misongadina ny fahaiza-manao, ny fomba amam-panao Malagasy ary ny asa sahanin’ny vehivavy ao an-tokantrano. Miavaka ihany koa ny fitantanan’ny vehivavy ben’ny tanàna mihoatra amin’ny lehilahy ary hita ho mandroso kokoa ny kaominina entin’ny vehivavy. Eo amin’ny resaka tetibola, ohatra, dia tsy maintsy voasoratra ao amin’ny kaominina tantanin’ny lehilahy ny fanorenana kianja fanaovana baolina kitra saingy tsy mifanaraka amin’ny filan’ny vehivavy izany. Raha vehivavy anefa ny ben’ny tanàna dia miompana kokoa amin’ny fiainana andavanandro ny fandaharanasa toy ny fampidirana rano fisotro madio. Tsy mananosarotra ny vahoaka ny miresaka amin’ny ben’ny tanàna vehivavy ary ambany ny tahan’ny kolikoly tantanin’ny vehivavy ben’ny tanàna.

TT : Aiza ho aiza indray ny ezaka amin’ny fampiharana ny miralenta eto Madagasikara ?

PI : Tolona ity andraikitra sahanina ity satria vokatra karohana ny mitady ny fanovana, indrindra ny eo amin’ny lafiny toe-tsaina. Raha resahana manokana, ohatra, ny sehatry ny fitondrana dia efa nahitam-bokatra. Porofo azo hanamarinana izany ny fifidianana solombavambahoaka farany teo satria vehivavy ny 21%-n’ny mpanao lalàna eny anivon’ny Antenimieram-pirenena. 8% kosa ny salan’isan’ireo parlemantera voafidim-bahoaka teo aloha. Niakatra izany ny taha saingy tsy mbola tratra ny tanjona tamin’ireo fifanarahana iraisam-pirenena nosoniavin’i Madagasikara. Tokony ho 50% mantsy io salan’isa fandraisana andraikitry ny vehivavy io hatramin’ny taona 2015. Nandritra ny krizy ihany koa no nahitana vehivavy minisitra maro indrindra tao amin’ny governemanta izay niisa 9. Tsy ny finiavan’ny mpitondra no nahatonga ireny fa kisendrasendra fotsiny. Zavatra maharitra anefa no tadiavina ka ilaina ny fandraisantsika fepetra mba hifanaraka amin’ny sonia nataon’ny firenena Malagasy mba hahamarin-toerana ny salan’isa niarahan’ny rehetra nifanaiky. Tanjona manaraka ho an’ny fikambanana ny hanentana ny vehivavy handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana kaominaly sy ny hahamaro an’isa azy ireo amin’ny fitantanana ny tanàna ka hahazo ny 50%.

TT : Farany, manao ahoana ny zava-misy eto Madagasikara mihoatra amin’ireo firenena mpikambana 14 hafa ?

PI : Ahitana tanjona 28 tokony hotratrarina amin’ny taona 2015 ny fifanarahana nosoniavin’ireo firenena 15 ato amin’ny faritra tapany Atsimon’i Afrika tamin’ny taona 2008. Jeren’ny tambajotran’ny fikambanana isan-taona amin’ny alalan’ny mari-drefy ny ezaka vitan’ny firenena tsirairay. Mitana ny laharana 3 farany hatrany i Madagasikara manokana teo aloha. Efa mandroso kosa ny firenena Malagasy ankehitriny amin’ireo masontsivana maro fitsarana toy ny resaka lalàna, ny fitondrana, ny fahasalamana, ny fampianarana, ny serasera, ny fandriampahalemana. Ohatra tsara ho fantatra ny fiakaran’ny tahan’ireo vehivavy Malagasy zandary izay 10% teo aloha ary lasa 18% ankehitriny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT