Actualités

Paositra Malagasy Mivonona amin`ny fivoaran’ny teknolojia


  • Alarobia 23 Janoary 2019

Tsy azo ihodivirana intsony ny fandrosoana ara-teknolojika manerana izao tontolo izao ary miroso amin`izany i Madagasikara.

 

 

 

 Manamafy ny ezaka izay efa natao hatramin`izay ary miomana amin`ny fivoarana ara-teknolojika ny Paositra Malagasy (PTT). Miroborobo eto amintsika ny “e-commerce” na ny sera amin`ny tambajotra. Arakaraka ny mampiroborobo ny teknolojia dia mivoatra ny PTT miaraka aminy ka miezaka mampifanaraka ny asa. Tsy tafapetraka tsara ny “e- commerce” saingy fa miomana amin`ny fantanterahana ny fidirana sy fandraisana anjara amin`izany ny Paositra Malagasy, hoy ny tale jeneralin`ny PTT, Ranarison Richard. Tsy afa-miala amin`ny tolotra postaly maneran-tany (service postal universel) ny Paositra Malagasy dia maniry ny PTT hoe manao ahoana ny fomba hoentin`ny fanjakana Malagasy hanampiana ny Paositra amin`ny maha orinasam-panjakana azy na amin`ny lafiny ara-bola na ara-pitaovana na amin`ny lafiny ara-teknolojia. Tafiditra ao anatin`ny vinan`ny Filoham-pirenena vaovao ny e-post ka maniry mba hisian`ny fiaraha-miasa eo amin`ny fanjakana foibe sy ny Paositra Malagasy. Ny taona 1994, no namadihana ny PTT avy amin`ny minisiteran`ny fifandraisan-davitra ka indray mandeha ihany no nahazo fanampiasa avy amin`ny fanjakana. vola ampidiriny ihany no ahafahany mandoa ny karaman’ny mpiasa ao aminy, mividy ny fitaovana ilainy amin’ny fampandehana ny asany ary mandoa ireo rehetra mpiara-miombonantoka aminy. Tafiditra indrindra ao amin’ny paikadin’ity Tale jeneraly ity ny fanatonana akaiky kokoa ny tsena ary ny fandehanana any amin’izay toerana izay mety hahazoam-bola mba ahafahana mampandroso ny orinasa. Ao anatin’izany, dia ny manatsara sy manamafy ary manao izay hampivoarana ny asany eo amin’ny tolotra fitehirizana na fandefasana vola efa nananany hatramin’izay. Ohatra amin’izany ny tolotra « Tsinjolavitra » izay mahasolo ny asan’ny banky any amin’ireny faritra tsy ahita banky ireny, ao koa ny tolotra Emv, ny kaonty Ccp sy ny sisa. Nanamafy kosa fa mijanona ho sangany ho lohany ary tafapetraka ny sehatr’asa, ny Paositra Malagasy no mitazona ny laharana voalaohany raha mbola fikirakirana taratasy, entana ary fitehirizam-bola (tahiry) eto Madagasikara. Marihana hatrany fa ny hampatanjaka sy hampiroborobo ny « Paositra Malagasy » no politika napetrak’ity tale jeneraly ity raha nandray ny fitantanana an’ity orinasam-panjakana ity ny tenany.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT