Actualités

Paositra Malagasy Hanokatra tranonkalam-pifandraisana vaovao


  • Alakamisy 08 Oktobra 2015

Mbola ny 70 %-n’ny Malagasy amin’izao no mametraka fitokisana amin’ny paositra malagasy amin’ny alalan’ny fifandefasana taratasy na dia efa tsy mitsaha-mivoatra aza ny teknolojia.

 

Na izany aza tsy tara amin’ny rivotry ny fandrosoana ihany koa izy ireo, hoy Ranarison Richard, tale iray ao amin’ity orinasa iray ity. Hanokatra tranonkalam-pifandraisana vaovao mantsy izy ireo hahafahan’ny mpanjifa mamantatra ireo karazana tolotra misy ao aminy. Tafiditra ao anatin’izany ny fividianana hajia amin’ny alalan’ny varotra fampirantiana. Nankalazaina omaly ny andro maneran-tany ho an’ny paositra malagasy. Fampirantiana ireo karazana hajia vokarin’izy ireo tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina no nisantarana izany, hetsika izay efa tafiditra sahady ao anatin’ny fanomanana ny « rencontre des filatelistes » aty amin’ny ranomasim-be Indianina hotanterahina eto amintsika ny taona 2016 ho avy io.  Marihina moa fa mbola marobe ireo hetsika entina hanohizana ny fankalazana mandritra ity herinandro ity.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT