Actualités

“Panneaux solaires” angalarina eny Ampitatafika Amidy eny Anosibe sy Sakay Arivonimamo


  • Sabotsy 05 Novambra 2016

Fantatra ihany ankehitriny ireo olona mpandray ireo “panneau solaire” sy “batterie” halatra mandeha amin’ny herin’ny masoandro manjavona lava teny amin’ny lalana digue Ampitatafika mihazo an’i Fenoarivo.

Eny Anosibe sy any Sakay Arivonimamo no misy azy ireo izay efa arahi-maso akaiky. Taorian’ny nahatrarana ireo olona efatra tratra nangalatra ireo andrin-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro teny Ampitatafika no nahafantarana izany ary efa nalefa any amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina. Ny roa tamin’ireo dia tratra teo am-piakarana tamin’ny andrin-jiro mihitsy, raha nifanenjehana teny ambany kosa ny iray. Vokatry ny fakana am-bavany iretsy roa voalohany kosa no nahatrarana ny iray farany, izay marihina fa mbola tovolahy vao erotrerony avokoa. Voatery nanala ny jiro maty sy ny “batterie” tamin’ireo   andrin-jiro sisa tavela, ny kaominina Ampitatafika  vokatr’izany  ary nampirina  izany  ao amin’izy ireo mba tsy ho lasan’ny mpangalatra intsony.  Mikasika ny fikitihana tany ao anatin’ity kaominina ity dia nanambara ny Ben’ny tanàna fa tsy maintsy misy izany vao afaka manatsara ny tanàna ny tenany. Na Notsindriany fa tanin’olon-tsotra avokoa izy ireo ka miezaka mampifandray ny tompon’ny tany sy ny mpividy ny kaominina.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT