Actualités

Pac “ Pôle Anti-Corruption” Hamoaka dosie mavesatra tsy hoe ela


  • Alakamisy 08 Aogositra 2019

Mbola maro ireo antontan-taratasy eo anivon’ny Pac na « Pôle Anti-Corruption” miandry ity vovonana iray miady amin’ny kolikoly ity.

 

 

Eo ny  antontan-taratasy momba ny fanodikodinam-bola, ny fivarotana ny tanim-panjakana sy ny maro. Araka ny fanazavana nentin’ny Tonia Mpampanoa lalàna eo anivon’ny PAC, Atoa Rakotomahefa Mamy Tantely,  fa hivoaka tsy ho ela ireo antontan-taratasy mavesatra momba izay fivarotana tanim-panjakana sy ny fanodikodinam-bola amin’ny sehatra samy hafa izay no havoakan’izy ireo tsy ho ela. Raha ny fanazavany koa, dia mbola naverina natao fanadihadiana koa ireo depiote izay voasaringotra tamin’ny raharaha kolikoly. Mikasika ny raharaha Mbola Rajaonah indray,  dia nilaza ity Tonia Mpampanoa lalàna miady amin’ny kolikoly ity, fa mbola misy raharaha hafa anenjehana an’ity mpandraharaha ity, matoa izy naverina eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy, hoy izy, toy ny famotsiam-bola, fandikan-dalàna teny amin’ny fandin-tseranana. Andrasana noho izany ny hivoahan’ireo dosie mavesatra voalaza etsy ambony ireo. Marihana, fa misy ambadika politika ny fanagadrana an’ity mpandraharaha ity, ka mitaky ny hamoahana azy ny fikambanana Tafaray. 

 

 

 

Sitraka r. 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT