Actualités

Ozinina mpamokatra Ethanol Aiza ilay fampanantenan’i Mialy Rajoelina tao Ambilobe ?


  • Zoma 28 Febroary 2020

Afaka herinandro mahery kely, dia higadona ny andron’ny 8 martsa 2020 fotoana hanamarihana ny andron’ny vehivavy.

 

 

 

 Ny vadin’ny filoham-pirenena matetika no mitarika ny lanonana ofisialy ho an’ny eto amintsika amin’ny maha renin’ny Malagasy azy. Tsy mbola fantatra hoe aiza no hanamarihany izany amin’ity taona ity, raha hanao izany izy, fa ny tamin’ny taon-dasa dia tany Ambilobe. Lanonam-be ny tany an-toerana tamin’izany fotoana izany, ary fotoana nampahafantarana sy nanaovana fanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny fananganana orinasa mpamokatra «ethanol ». Izy rahateo no filohan’ny PAESFA (Pan African Ethanol Stoves and Fuel Alliance) izay mifototra amin’ny fampiroboroboana ny fampiasana ny Ethanol ho angovo fampiasa ao an-tokantrano hisorohona amin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana. Napetraka ny vato fototry ny orinasa tamin’izany, saingy herintaona aty aoriana toa tsy misy rindrina mijoro, raha nambara fa hotokanana ny 8 desambra 2019. Marina sy ekena fa manome toky amin’ny fanatanterahana ny fampanantenana ataony ny Filoha, saingy ohatra iray velona io fampanantenana tsy tanteraka io, izay ampahany ihany fa tsy resahina intsony ny nanomboka tamin’ny tetezamita sy ny propagandy. Ny mampatahotra dia mampanahy ihany koa ny kianja Barea, izay mba mety ho fialana bala amin’ny tsy fahatrarana ny fe-potoana ny hoe : mihitsoka any Chine noho ny coronavirus ny fitaovana. Asa aiza izany no hatao ny lanonam-panjakana hankalazana ny faha-60 taonan’ny fahaleovantena ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT