Nijery ifotony ny zava-misy momba ilay ozinina miaramila any Moramanga ny faran’ny herinandro teo ny delegasiona avy amin’ny foloalindahy notarihan’ny minisitry ny fiarovam-pirenena ny jeneraly Kaxier Béni Rasolofonirina.
Nirahan’ny filoham-pirenena mba hijery ifotony ny zava-misy izahay, hoy ny minisitra sy handinika ihany koa ny famelomana indray ny ozinina miaramila. Toeram-piasana anisan’ny manana fotodrafitrasa tsara indrindra eto Madagasikara izy ity izay naorina tamin’ny repoblika faharoa saingy adinodino, hoy ny minisitra. Azo antoka anefa fa tena hitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny tafika sy ny firenena ity ozinina miaramila ity izay afaka manamboatra fiara, fanaka ilaina anaty birao sy kojakoja maro samihafa. Manana ny toerany amin’ny fiarovam-pirenena sy fametrahana ny filaminana ihany koa izy ity raha ny fanazavana voaray ihany. Ozinina miaramila, antoky ny fiarovam-pirenena rahateo no tarigetra ijoroany koa dia ho hita eo ny vokatra avy ao aminy sy ny asa mety ho vitany. Fanontaniana manitikitika ny maro moa ny hoe : mety hiroso amin’ny fanamboarana fitaovam-piadiana ve ity hoe ozinina miaramila ity sa hionona amin’ny fanamboarana fanaka anaty birao sy fikojakojana ny fiaran’ny tafika ? Efa nisy ihany mantsy ny fanamboarana bala tany Moramanga tamin’ny repoblika faharoa.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.