Hikarakara fifaninanana maka sary entina hanehoana an-tsary sy an-kevitra ny olana sosialy iainan’ny mponina eto an-drenivohitra ny Oxygeniuz Africa,
mpisehatra iray eo amin’ny tontolon’ny fakana sary. Niantso mpanao gazety tetsy amin’ny CPM Antsakaviro ny mpitarika izany omaly ary nampahafantatra fa ny 3 sy 4 septambra izao no hanaovana ity hetsika ity. Tanjona ny fanentanana ny tsirairay amin’ny fandraisana andraikitra. Lohahevitra asongadina amin’io fifaninanana io ny hoe : ankizy, tanora sy ny fahaizamanaony manoloana ny tsy fisian’asa.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.