Actualités

OTIV Madagascar Tsy maintsy mitady vahaolana anio


  • Zoma 07 Jona 2019

Nisy fihaonana nataon`ireo tompon’andraikitry ny OTIV manerana ny nosy sy ny filoha Rajoelina, ny talata lasa teo, manoloana ny fahalanian`ny vola sy tsy fandovam-bola voalaza ho nataon`ny teo anivon`ny OTIV.

 

 

Miandry ny rariny hatrany ireo mpitantana sy ireo mpikambana ary ireo fianakavian’ny mpikambana an`aliny tao anatin’ny taona maro. Tany Toamasina, ohatra, efa hiditra sivy taona izao no tsy nahazoan’izy ireo ny volany notehirizina teo anivon’ny Otiv Acoa, izay mahatratra 4 miliara ariary ny fitambaran’ny volan’izy ireo nanjavona. Nitrangana olana ihany koa ny OTIV Boeny ny taona 2017, izay nilazana fa olana ara-teknika no sendraina kanefa vola ana miliara no nanjavona. Tapaka taorian`io fihaonana io teny Ambohitsorohitra kosa fa tsy maintsy mitady vahaolana ireo tompon’andraikitra eo anivon`ny OTIV anio.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT