Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampiharana ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny sampandraharahan’ny Tahirim-bolam-panjakana. Anisan’ny andraikitra goavana sahaniny ny momba ny fampifandanjana ireo fanampiana ny tetibolam-panjakana
Eo ihany koa ny fisarihana ireo mpanjifa tsy an-kanavaka amin’ny alalan’ny fanokafana kaonty petra-bola eo anivon’ity sampandraharaham-panjakana ity. Vahinin’ny gazety Tia Tanindrazana anio ny Tale Jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana Orlando Robimanana Rivomanantsoa. Resadresaka.
Tia Tanindrazana (TT) : Tolotra vaovao haroson’ny Tahirim-bolam-panjakana ny petra-bola «Fihary» amin’izao taona 2015 izao, inona no antony ?
Orlando Robimanana Rivomanantsoa (ORR) : Efa misy tokoa ny petra-bola «par adjudication» ary natao ho famenony ny petra-bola «Fihary». Tsapa ho nahazo tombony tamin’ny BTA kokoa anefa ireo banky sy orinasa goavana mpampiasa vola misimisy mihoatra ny 20 tapitrisa ariary ao anatin’ny fe-potoana fohy tsy mihoatra ny 52 herinandro, indrindra tao anatin’ny vanim-potoanan’ny krizy. Niankina betsaka tamin’ny fihetsik’izy ireo rahateo ny fihodin’ny tsena izay mandrakotra ny 80% ka nampihena ny vola kirakiraina ary nampitombo kosa ny zana-bola na ny mifamadika amin’izay.
TT : Misy antony hafa tsara ho fantatra ve nahatonga io vokatra vaovao atolotry ny Tahirim-bolam-panjakana io ?
ORR : Azo ambara ho nandringa ny fanomezana fahafaham-po sy filàn’ireo mpanjifa sokajiana ho madinika eo amin’ny sehatry ny fandraharahana. Natao hitsinjovana ireo olon-tsotra sy orinasa madinika sy salantsalany noho izany ny tolotra petra-bola «Fihary». 1 tapitrisa ariary no petra-bola takiana amin’ireo mpanjifa ary tsy latsaky ny 9% ny zana-bola aterany ao anatin’ny fe-potoana mihoatra ny 12 volana. Tanjon’ny fananana kaonty petra-bola eo anivon’ny Tahirim-bolam-panjakana moa ny fihariana hoan’ny isam-batan’olona miaraka amin’ny famatsiana ny teti-bolan’ny firenena.
TT : Niteraka resabe ny karamam-panjakana volana desambra 2014 teo, inona no azonao lazaina ?
ORR : Tsy mitombina aloha ny hoe tsy nandray karama ary efa fomba fiasan’ny sampan-draharahan’ny Tahirim-bolam-panjakana hatrizay ny mandoa ny fisotroan-dronono ny 18-n’ny volana raha ny 20-n’ny volana kosa ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Rehefa ankatoky ny fety indray dia mivoaka ny 15-n’ny volana izany. Raha raisina indray ny karama volana desambra 2014 teo dia ny mpiasan’ny ministeran’ny Fitantanam-bola no taraiky kely saingy nivoaka tamin’ny faha-24n’ny volana izany.
TT : Aiza ho aiza kosa ny firotsahan’ny fanampiana ny Tetibolam-panjakana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka nolazain’ny ny filoha Rajaonarimampianina tamin’ny kabariny ?
ORR : Misy karazany telo ny fanampiana avy any ivelany dia ny fanampiana fandaharanasa ny voalohany izay tohanan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena ka nitentina 47 tapitrisa dolara ho an’ny taona 2014 izany ho fanampiana ny Banky Foiben’i Madagasikara. Faharoa ny fanampiana tetikasa iarahana amin’ireo karazana mpiara-miombon’antoka maro toan’ny Banky iraisam-pirenena na ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana ka ireo fikambanana samihafa no mitantana ny vola fanatanterahana ireo tetikasa. Fahatelo farany ny fanampiana Tetibolam-panjakana ka misahana ny fampifandanjana ny vola mivoaka sy miditra ny Tahirim-bolam-panjakana. Ho an’ny Tetibolam-panjakana 2014 ohatra dia efa nandrotsaka 65 tapitrisa euros ny Vondrona eoropeanina ary 45 tapitrisa dolara ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny volana desambra 2014 teo. Andrasana tsy ho ela ihany koa ny fanampiana avy amin’ny firenena frantsay sy ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana.
TT : Farany, inona kosa no azo ambara momba ny Tetibolam-panjakana 2015 ?
ORR : Manantena vokatra tsara avy amin’ireo tolotra petra-bola roa mifameno dia ny BTA sy ny Fihary ny Fanjakana amin’ity taona 2015 ity. Vinavinaina eo amin’ny 50 hatrany amin’ny 80 miliara ariary io fandraisana anjara mivantana avy amin’ireo mpanjifa manana kaonty ao amin’ny Tahirim-bolam-panjakana io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.