Actualités

Orinasam-pifandraisana Airtel Hampifaly ny mpanao vakansy ao Mahajanga


  • Talata 16 Aogositra 2016

Hampifaly ireo mpanao vakansy ao Mahajanga ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar amin’ity taona 2016 ity ao anatin’ilay lohahevitra « Airtel beach party ».

Ny  20 ka hatramin’ny  27 aogositra ho avy izao no hanatanterahana izany  ao amorom-pasik’Amborovy sy eny  amin’ny Bord  ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga ho fanomezana fahafaham-po ny rehetra. Hetsika maroloha no hotanterahina izay maimaimpoana avokoa. Anisan’ireny ny fanaovana « Big Zumba live » hohafanain’ireo karazana DJ toy ny  DJ Gouty, ny fampandihizana amin’ny alalan’ny danse urbaine sy tropicale… Tsy latsa-danja amin’izany ny fiarahana amin’i Meizah, Marion, Arione Joy ary Rak Roots, mpanakanto izay tsy zoviana amintsika intsony. Tsiahivina moa fa sambany no nanao hetsika goavana entina hampifaliana ny mpiala sasatra ao Mahajanga  tahaka izao ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar. Hisy ihany koa ny fampahafantarany ireo karazana tolotra misy ao aminy, toy ny fanaovana facebook amin’ny sarany 400 Ar mandritra ny herinandro. Hisy ihany koa ny fizarana karazana fanomezana mandritra izany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT