Actualités

Orinasa SUCOMA Morondava. Efa niverina nihodina


  • Talata 02 Desambra 2014

Efa niverina nihodina ny orinasa SUCOMA any Morondava raha ny nambaran’ny minisitry ny Indostria Jules Etienne Rolland. Nisy mantsy, hoy izy ny fidinana tany an-toerana rehefa nisy ny olana nosedrain’ity orinasa ity nandritra ny andro maromaro izay

Nisy mantsy, hoy izy ny fidinana tany an-toerana rehefa nisy ny olana nosedrain’ity orinasa ity nandritra ny andro maromaro izay. Raha ny voalazan’ny minisitra hatrany dia nisy ny olana teo amin’ny lafiny ara-pitantanana fa teo ihany koa ny resaka tombontsoa sy sitraka tokony ho azon’ny mpiasa tsirairay saingy tsy fantatra ny tena zava-niseho marina.Voalaza mantsy fa dia nisy ny fitakian’ireo mpiasa sasany ho lasa mpiasa raikitra ka io no tena isan’ny nahatonga ny olana. Tanjoko, hoy ny minisitra raha tonga tany an-toerana dia ny hampiverina hiasa ireo mpiasa ao amin’ny orinasa SUCOMA ka nisy ny fifanarahana sy ny lamina tsy maintsy napetraka.  Araka izany dia nisy ny fametrahana ireo komity mpandrindra sy mpanara-maso ny hevitra tapaka tamin’ny fifanarahana natao ka tafiditra ao anatin’izany ny solontenan’ny mpiasa sy ny mpampiasa  eo ihany koa ny  solontenam-panjakana avy any an-toerana soloin’ny  faritra  tena mba hahafahan’ny tsirairay mitady vahaolana raha toa ka mbola miverina ny olana. Raha sanatria moa misy ny mitsipaka ny lamina efa napetraka, hoy hatrany ny minisitra dia hisy ny sazy mifanaraka amin’izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT