Actualités

Orinasa Star Miara-miasa amina tantsaha 20 000


  • Sabotsy 26 Novambra 2016

Handray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena ny vondrona Star. Anisan’ny antony nanosika azy ireo hanohana amim-pomba ofisialy ilay hetsika « Salon de l’Industrie de Madagascar » 2016 hifarana rahampitso eny Tanjombato izay hahafahana mampiroborobo ny orinasa Malagasy rehetra.

 Nisy ny latabatra boribory  niarahan’Andriamatoa Emmanuel de Tailly, filoha tale jeneraly lefitry ny vondrona Star niaraka tamin’ny sendikan’ny indostria eto amintsika andro vitsy lasa izay. « Indostria, avokavoky ny fampandrosoana » no lohahevitra novoaboasana nahafahan’ny roa tonta nijery paikady  hahafahana mampivelatra  ny indostria eto amintsika  hanaingana  ny toekarem-pirenena. Tsiahivina fa manana mpiara-miasa manodidina ny 2.000 isa ny orinasa Star ankehitriny  ka ny 99 %-n’ireo dia teratany Malagasy avokoa. Miara-miasa amina tantsaha manodidina ny 20.000 isa ihany koa izy ireo ka anisan’ireny ny ao Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony ary DIANA. Malagasy avokoa no mampidi-bola ho azy ireo izay mahatratra hatrany amin’ny 14 miliara Ariary  isan-taona.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT