Nifarana omaly tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina rehefa naharitra roa andro ilay androm-pirenena ho
fanandratana sy antoka ara-pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo izay karakarain’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Anisan’ny mandray anjara mavitrika amin’izany ny orinasa Star sady mpanohana ofisialy ny hetsika. Asa maro no hotontosain’izy ireo toy ny fampahafantarana ny mpanjifa ny kalitaon’ny vokatra vokarin’izy ireo manomboka any amin’ny fiotazana ireo karazam- boankazo hampiasainy ka hatrany amin’ny fanodinana azy ho ranom-boankazo izay nomarihin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa fa tena manaraka ny fenitra iraisam-pirenena tokoa. Notsindriany manokana ny fisian’ilay collerette izay mamaritra tsara ny fotoana mbola hahafahan’ny mpanjifa misotro hatrany ny zava-pisotro vokarin’izy ireo ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka. Hampahafantariny ny mpanjifa ihany koa ny fahazoany ny certification ISO tamin’ity taona 2016 ity tamin’ny asa notontosain’ny orinasa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.