Nanao fanambarana indray ny mpiasan’ny orinasam-panjakana Malagasy Kraomita omaly alakamisy 14 febroary tetsy amin’ny foibeny Ampefiloha ny amin’ny fanamafisana ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny fifanarahana amin’ny orinasa rosiana Kraoma Mining sy Ferrum Mining.
Nanambara ireo solontenan’ny mpiasa fa nisy ny vaovao tsy marina naparitaka tamin’ny haino aman-jery samihafa mahakasika ny fihaonan’izy ireo tamin’ny minisitry ny harena ankibon’ny tany tamin’ny 8 febroary teny Ampandrianomby. Tsy marina ny filazana, hoy izy ireo fa fitakiana karama no anton’ny fitokonan’ny mpiasa. Lainga ihany koa ny nanambarana fa miverina miasa ny mpiasan’ny kraomita Malagasy. Ankoatr’izay dia tsy mitombina ny filazana fa efa mifanaraka ny mpiasa sy ny rosianina ary tsy mbola nisy mihitsy ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny fihaonan’ny solontenan’ny mpiasa sy Andriamatoa minisitra. Efa niakatra hatramin’ny solontenan’ny mpiasa avy any Brieville hanatevina ny tolona fitakiana. Hatreto dia tsy misy voavaly avokoa ny fitakiana ka mitohy ny fitakiana fanafoanana ny fiaraha-miasa amin’ny rosianina. Manjavozavo tanteraka ny zavatra rehetra ary mainka aza mbola manangasanga indray, hoy izy ireo ny vovonana iarahan’ny rosianina sy ny minisitera ary ny mpiasa na dia efa tsy levon’ny vavony aza ny hiara-miasa amin’ireo vahiny ireo. Miandry ny valin’ny fangataham-pihaonana amin’ny filohan’ny repoblika izy ireo hamahana haingana izao olana izao.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.