Andrenesana fimonomononana eo anivon’ny orinasa Kraomita Malagasy
. Tara ny fandraisan-karama. Ny “prime” tokony ho azo tamin’ny faran’ny taona 2015 tsy mbola voaray. Ireo mpiasa tapitra “contrat” tsy mbola nahazo ny volany. Ny fanonerana ny fitsaboana moa dia tsy voaonitra ara-dalàna intsony… Ao anatin’izany rehetra izany no mandeha ny feo fa hamidy amin’ny Kôreanina ity orinasam-panjakana ity, hany ka velon-tebiteby ny mpiasa.
Orinasa niorina tamin’ny taona 1969 ny KRAOMA SA. Mitrandraka kraomita any Ankazotaolana sy Bemanevika, no tena anton’asa sy fidiram-bolany. Manodidina ny 500 ny isan’ny mpiasa ankehitriny.
Tsara ny vokatr’ity orinasa ity tamin’ny taona 2015. Efatra hetsy taonina no nenjehina, ary tratran’ny mpiasa izany. Araka ny fantatra dia io vokatra io no anisan’ny be indrindra hatramin’ny 1969 nisian’ny KRAOMA SA. Niakatra nanaraka an’izay koa ny kraomita naondran’ny orinasa. Farafahakeliny sambo 15 no niondrana nitondra kraoma, ankoatra ny amin’ny kaontenera izay vinaniana ho mihoatra ny 250 000 taonina. Bebe ihany, hoy ny tsy mahay manisa, ny vola miditra amin’izany raha atao hoe 150 dôrala ny iray taonina.
Ny mahagaga ny mpiasa dia efa ny 9 martsa vao voaray ny karama febroary 2016, ho an’ny mpiasa sasany raha tokony ho noraisina ny 25 febroary. Mpiasa 100 eo no voakasik’io. Ireo mpiasa tsotra moa dia efa taty amin’ny 15 martsa vao nandray, rehefa nanomboka nampiaka-peo ny mpiasa. Nankaiza ny vola ?
Andrasan’ny mpiasa amin’ity herinandro ity koa ny “prime” tokony ho azo tamin’ny faran’ny taona 2015, ary miankina amin’io ny hetsika mety hataon’izy ireo, raha ny feo mandeha.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.