Ny olan-drano sy herinaratra mitarazoka efa hatramin’ny taona maro ny famahana azy.
Ny orinasam-panjakana JIRAMA dia mibaby trosa maro noho ny tsy fahaiza-mitantana. Efa miasa mafy ny filankevi-pitantanana ka heverina hampidi-bola, hoy Ramaroson Andry, tale jeneralin’ny angovo ao amin’ny ninisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo. Raha orinasa kely ny JIRAMA dia efa namidy na lasan’izay orinasa manana trosa aminy. Atao koa ny fampiasam-bola satria orinasam-panjakana. Hohatsaraina ny fomba fitantanana sy fampiasana vola eo anivon’ny orinasa. Ireny trosa ireny dia misy fomba hitantanana azy mba ahafahana mifampidinika fa tsy voatery hiandry ny banky iraisam-pirenena, hoy izy. Tsy fanomezana amin’ny tsy miankina no vahaolana na dia mibaby trosa aza ny JIRAMA. Nomarihany kosa fa tsy misy orinasa hahomby raha tsy mampiasa vola. Mety ho anisan’ny nibaby trosa. Noraisiny ohatra ireo fotodrafitrasa roa samihafa izay amboarina any Antsiranana. Fampiasam-bola izany satria fotodrafitrasa ho an’ny rano, jiro, solika… Nanamafy ihany i Andry Ramaroson fa tsy hiakatra ny vidin-jiro. Manantena ny tale jeneralin’ny angovo sy ny akoran’ afo eo amin’ny minisitera fa tsy hiaina trosa sy fatiantoka intsony ny orinasa JIRAMA any amin’ny faran’ny taona 2021.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.