Misokatra ny fandraisana ny dosie sy antontan-taratasy ho an’ireo maniry ny Tale Jeneraly sy Tale Jeneraly lefitra ho an’ny orinasam-panjakana JIRAMA.
Manana hatramin’ny 11 oktobra izao ireo mpifaninana amin’izany, ka ny Cabinet SGG Kanadianina no miandraikitra izany. Andrasana izay ho fivoarana eo amin’ny resaka jiro sy rano eto amintsika izay tena mampikolay ny vahoaka. Mandeha ireo ambara fa tetikasa hoenti-mamaha ny olan’ny rano, izay irariana mba tena hisy vokany azo tsapain-tanana. Tsiahivina hatrany fa mahatratra hatrany amin’ny 1600miliara ariary ny fantiantoky ny Jirama, izay eo am-pikarohana ny fomba hanarenana izany amin’izao fotoana izao. Anisan’ny namotika an’io ny mpitondra ankehitriny, izay nitantana tamin’ny andron’ny tetezamita. Nisy olona matretre mbola akaiky ny fitondrana aza nanana dosie maloto teny amin’ny Bianco mihitsy momba io resaka Jirama io, saingy tsy fantatra izay niafaran’ny raharaha. Isan’izany ny afera mitetina 80.000.000.000Ar na 17.000.000 Euros, saingy nangina tsy nisy tohiny intsony. Nihazakazahana, toy ny fanaovana vary mora sy menaka mora ny fampidinana 10% ny saran’ny herinaratra tamin’ny tetezamita, kinanjo izao no niafarany. Toa nanjakan’ny kibizibizina sy ny afera ny fitantanana tetsy an-kilany, hany ka niha potika sy nitotongana tsikelikely ny Jirama.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.