Hampiakarina avo roa heny araka ny tenin-dRajoelina tokoa ve ny famokarana herinaratra eto amin’ny firenena sa hahena avo telo eny mba hampijaly ny vahoaka ?
Mampikolay ny rehetra ny delestazy efa ho adiny enina isa’andro ankehitriy satria lasibatra ny indostria, ny orinasa, ny mpianatra,…saingy tsy manana vahaolana ilay fanjakana hatreto. Tsy te hahalala izay ny olona miseho ny vahoaka satria ny volany no miala saingy afaka ny hanao inona moa ? Antony iray nampitotongana ny Jirama ny fitantanana gaboraraka. Tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana ihany io orinasa io no nahazo aina sy nanana ambim-bava satria nipetraka tsara ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitantanana mangaraharaha ary ny fanatsarana ny fitantanana. I Marc Ravalomanana no nahavita nanao fanadiovana ny Jirama sy nanana ny politikam-pirenena momba ny angovo 2005-2020. Vao tonga ny fanonganam-panjakana 2009, dia nanjaka ny gaboraraka satria toa natao tantely afa-drakotra ny Jirama, izay nahafalifaly ny olona no natao fa tsy izay nahasoa ny firenena. Ampahany ilay raharaha fakana volabe 4 Miliara ariary voalaza fa nataona mpandraharaha fanta-daza nanana andraikitra ambony tao amin’ny Jirama. Nambara fa hofana milina an’ny orinasany tany Maorisy nampiasain’ny Jirama teo anelanelan’ny taona 2010–2011 io, ka noterena nalohan’ity orinasam-panjakana ity. Niditra an-tsehatra sy nilaza ny hampanao fitsirihana (Audit) ny Jirama ny fanjakana Rajaonarimampianina. Nesorina ny Tale Jeneraly Nestor Razafindroriaka, Mpikamban’ny filankevi-pitantanana notarihin-dRachidy Mohamed. Tonga Atoa Olivier Jaomiary, izay nametraka fanamby sy nilaza fa hanao zavatra saingy inona no teo? Tsy tena nahita vahaolana. Nampiaka-peo tamin’ny Jirama ny Praiminisitra Ntsay Christian raha nanolotra ny Programa ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny 5 febroary 2019. Noraisina ny fanapahan-kevitra, fa afaka manafatra solika mavesatra mivantana avy any ivelany ny Jirama, hoy ny filoha Rajoelina. Raha ny loharanom-baovao iray, dia tezitra ireo orinasa mpamatsy solika ny Jirama noho io fanapahan-kevitra io ka nigafy. Misy tombontsoa voakitikitika izany ao, ka ny manjifa no mizaka ny mavesatra rehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.