Actualités

Orinasa JIRAMA Mbola banga ny toeran’ny tale jeneraly


  • Alakamisy 22 Aogositra 2019

Mbola banga tanteraka ny toeran’ny tale jeneralin’ny orinasa JIRAMA amin’izao, taorian’ny fanesorana an’Atoa Jaomiary Olivier, tale jeneraly teo aloha, taorian’ny filakenkevitry ny minisitra farany teo.

 

 

Andrasana noho izany ny fanendrena izay mety handimby azy. Araka ny fanazavana voaray, ny nanendrena an’io tale jeneraly teo aloha io, dia tamin’ny alalan’ny “appel d’offre international”. Fa mikasika ny fanendrena ny vaovao ho avy eo kosa, dia miankina amin’ny minisitera sy ny fanjakana raha ny fanazavana voaray. Olona mahafeno ny fepetra sy efa manana traikefa amin’ny fitantanan-draharaha  no tokony hotendrena hasolo an’atoa Jaomiary Olivier, araka ny fantatra. Atoa Albert Ravelonjaona, talen’ny DGOP eo anivon’ny JIRAMA no misahana ny fampihodinana ny raharaha vonjimaika ao amin’ity orinasa ity, mandrapahatonga  izay tale jeneraly vaovao eo.

 

Sitraka r.

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT