Actualités

Orinasa Jirama Matiantoka 292 Ar isan’ora isaky ny Kwh


  • Talata 12 Aprily 2016

Nidirana fatiantoka 292 ariary isan’ora isaky ny kWh ny Jiro sy Rano Malagasy nandritra ny taona 2015, hoy ny minisitry ny Angovo teo aloha Horace Gatien. 664 ariary mantsy ny masonkarena nefa namidy 372 ariary isan’ora ny kW izany.

 

 Voatery nameno ny banga amin’ny tohana ara-bola hatrany ny fanjakana saingy lasa vidin-tsolika avokoa, ohatra, ny 2/3-n’ny fanampiana nitentina 300 miliara ariary tamin’iny taon-dasa iny. Vidin’ny herinaratra talohan’ny taona 2009 rahateo no mbola mihatra hatramin’izao, araka ny fanamarihan’ity minisitra ity. Nambarany ihany koa ny fisian’ny didim-pitondrana manitsy in-droa isan-taona ny vidin’ny herinaratra dia ny volana aprily sy oktobra. Tsy maintsy hiakatra manomboka amin’ity taona 2016 ity noho izany ny saran’ny herinaratra vokarin’ity orinasam-panjakana ity, araka ny fanampim-panazavany. Tsy fantatra mazava kosa anefa ny fotoana hampiharana io vidin’ny herinaratra vaovao eto Madagasikara io. Ho fanatsarana ny fitantanana ny orinasa Jirama tafiditra ao anatin’ilay tetikasa Pagose tohanan’ny Banky iraisam-pirirenena moa ity fanitsiana ny vidin’ny herinaratra eto Madagasikara ity. Teboka roa lehibe mila valiny kosa ny fahefa-mividy miaraka amin’ny tondro-bidy eto amin’ny firenena ankoatra ny kalitaon’ny tolotra haroson’ny orinasam-panjakana ny mpanjifa.

Ramano F

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT