Mahatratra 850 miliara ariary ny tangoron-trosa tokony haloan’ny Jirama any amin’ireo Kaompanian-tsolika eto amin’ny firenena, hoy ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Lantoniaina Rasoloelison.
Tsy taona iray io fa efa am-polony taona satria ny eo tsy voaefa ary ny eo tonga ihany, hoy izy. Tonga ny olona mitaky ny trosany, kanefa tsy maharaka ny fidiram-bolan’ny Jirama vokatry ny famokarana, ka izay no tsy maintsy ilana ny fanampiana avy amin’ny fanjakana izay 300 miliara ariary isan-taona ny voasoratra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, ary mbola miampy 100 miliara ariary hafa io tamin’ny tetibola nasiam-panitsiana. Tsy manaiky intsony ireo kaompania, ka nisy ny fifanarahana izay natao teny Mahazoarivo niarahan’ny praiminisitra sy ny minisitry ny angovo saingy tsy nisy ny marimaritra iraisana amin’ny fametrahana ny vidin-tsolika etsy an-kilany. Vao mainka olana ny fepetran’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI mitaky ny fialan’ny fanjakana amin’ny fanentsenana ara-bola amin’ny orinasam-panjakana, izay mikendry ny fisondrotan’ny harin-karena mihoatra ny 5%. Ny vahoaka etsy an-daniny raha vao mihatra eo izay, dia mazava ho azy fa ho tratry ny fisondrotam-bidin’ny fiainana hatrany, ka hihemotra maty raibe ary handroso maty renibe ny fanjakana. Etsy an-kilany, tsy ampy ny herinaratra vokarin’ny milina mandeha amin’ny menaka mavesatra, ka tsy maintsy misy ny fandaminana amin’ny toerana hanapahana herinaratra, ka izay no anton’ny fahatapahana miseho amin’izao fotoana izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.