Actualités

Orinasa Easy park Miandrandra fanitarana asa amin’ny CUA


  • Alarobia 21 Novambra 2018

Hankalaza ny faha 3 taona niarahany niasa tamin’ny kaominina Antananarivo atsy ho atsy ny orinasa mpitantana fiantsonam-piara Easy park.

 

 

 Raha ny fanazavan’ny talen’ny seraseran’ity orinasa ity, Tiana Rasamimanantsoa,  dia azo lazaina ho miabo ihany ny vokatra hita tao anatin’izay 3 taona izay na dia teo aza ireo olana nosedrain’ny orinasa. Saika voafehinay avokoa, hoy izy, ireo faritra nasaina nofehezinay. Tsara marihina kosa anefa fa mitandro ny fifanarahana nifanaovana sy ny lalàna ny orinasa. Ezaka natao, ohatra, ny fametrahana famandrihana na « abonnement » sy ny sandan-toerana ary miezaka hatrany izahay manadio ireo toeram-piantsonana iasanay. Olona manodidina ny 60 isa no efa naparitaka hanatontosa izany. Azo atao ankehitriny ny mandoa saram-piantsonana amin’ny alalan’ny tekinolojia avo lenta toy ny « horodateur », ny finday ary karatra, izany hoe, tsy voatery hanatona ety amin’ny foibe ety Behoririka intsony. Mahita izahay, hoy izy, fa efa manomboka tafiditra amin’io rindra rehetra io ireo mpampiasa toeram-piantsonana rehetra. Tamin’ny taona 2017 tany moa, hoy ny fanamarihan’ity tompon’andraikitry ny serasera ity, anefa no nifarana ny fanitarana ny toerana hiasan’izy ireo ary dia miandrandra fanitarana vaovao ny orinasa ankehitriny.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT