Mirotsaka manohana ireo mpanakanto malagasy ny orinasa Dzama. Hanohana akaiky ny fampisehoana hotanterahin’ireo mpanakanto malagasy toa an'i Regis Gizaro mpitendry angorodao matihanina avy any amin'ny Faritra Vezo,
Eric Manana, Justin Valiha, Dama, ny olombelo Ricky ary Jaojoby hatao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ny 3 oktobra ho avy izao mantsy ity orinasa ity. Ny antony dia anisan’ny mpanakanto tena manandratra ny kolontsaina malagasy izy ireo sady manome voninahitra ny eny ifotony ihany koa. “Valim-babena” no lohahevitra hampitondraina ny hetsika entin'izy ireo hamaliana babena ireo fototra nipoirany dia ny maha-malagasy izany izay ezahina hitety faritra. Hira hiarahana no hokaloin’izy ireo mandritra izany. Hanomboka amin’ny 3 ora folakandro ny fampisehoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.