Tsy marina, hoy ny avy eo anivon’ny fikambanana FIMAMI na fikambanan’ny mpiaro ny alan’ny Mikea, ny filazana fa tsy mahasoa ny faritra atsimo andrefana ny fitrandrahana fasimainty ataon’ny orinasa Base Toliara na Toliara sand teo aloha mahakasika kaominina maro ao an-toerana amin’izao fotoana izao.
Nomarihin’izy ireo fa tsy mahakasika ny alan’ny Mikea mihitsy ity fitrandrahana ity na ny kely aza kanefa mahagaga fa ny filohan’ny fikambanana Mazoto, hoy izy ireo, no lohalaharana amin’ny fanoherana ity fitrandrahana ity. Ity farany, hoy izy ireo, tsy mpikamban’ny FIMAMI akory. Efa tamin’ny taona 1999 no nanadihady momba ny fahafahana manao ny tetikasa ny orinasa Toliara sand ary ny taona 2013 teo dia mbola namantatra ihany koa ny momba ireo fomba sy soatoavina ao an-toerana mba tsy hanotana fady, hoy hatrany ny fanazavana. Tanora malagasy miisa 15.000 kosa raha atotaly no hahazo asa noho ny tetikasa. Haka 5000 isa avy ao amin’ny kaominin’i Tsianisisia sy Toliara tampon-tanàna ary Ankilimaliha io orinasa io, hoy izy ireo, ka asakasak’izay hanakana izany manoloana ny fidorohan’ireo tanora zava-mahadomelina noho ny tsy fisian’asa ao an-toerana. Nahitana ben’ny tanàna sy olobe maromaro avy any an-toerana moa tonga teto Antananarivo nanazava izay zava-misy izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.