Actualités

Orinasa Airtel Mampifaly ireo mpanao vakansy any Mahajanga


  • Alarobia 24 Aogositra 2016

Fahombiazana tanteraka no azon’ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar tamin’ilay hetsika “Beach party” andiany voalohany nentina namalifaliana ireo mpanao vakansy ao Mahajanga izay hifarana 27 aogositra ho avy izao.

 

 Tafakatra 3.000 isa  mantsy ireo mponin’i Mahajanga sy mpanao vakansy any an-toerana nandray anjara tamin’ireo karazana kilalao nokarakarain’izy ireo. Ny hametraka fahatsiarovana mahafinaritra any am-pon’ny mpanjifa sy hizaran’ny Airtel ny fifaliany no tanjona raha araka ny fanazavan’ny tale jeneraliny Maixent Bekangba, fotoana tena mamy sy miavaka ho an’ny rehetra. Nisy ny fizarana loka maro samihafa nandritra izany, toy ireo olona nanao akanjo miloko mena, hahafantarana ity orinasam-pifandraisana iray ity, raha toraka izany koa ireo nisalotra ny akanjo  fotsy. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny fanolorana loka mitentina 200.000 Ar ho an’i Volana, ilay tovovavy mendrika indrindra tamin’ilay hetsika fifaninanana battle tropical sy urban. Nisy ihany koa ny fanolorana fitaovam-pianarana ho an’ireo mpifaninana mendrika indrindra tamin’ilay lalao Quizz Airtel.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT