Manomboka miala tsikelikely amin’ny fitantanana ny orinasa Air Madagascar ny fanjakana amin’izao ka hitadiavana mpividy ny 49% amin’ny petra-bolan'ity orinasa ity araka ny fanapahan-kevitra noraisin'ireo mpitantana.
Raha ny vaovao mivoaka dia miisa 14 hatreto ireo efa nametraka ny antontan-taratasy maneho ny fahavononany hividy ny ampahan'ny petra-bolan'ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Air Madagascar. Manomboka miala andraikitra amin’ny orinasam-panjakana izay hita ho mitotongana tanteraka ny fanjakana ankehitriny noho ny mety ho tery avy amin’ny mpamatsy vola amin’ny tsy hanampian’ny fanjakana ara-bola ny orinasam-panjakana eto amintsika izay efa miroso amin’ny fanomezana azy tsikelikely amin’ny sehatra tsy miankina. Fantatra fa asa miisa 130 no mety hofoanana ao amin’ity orinasa ity ary mpiasa 400 no mety horoahina. Ho lafo tanteraka ity orinasa ity noho ny tsy fahaiza-mitantana sy fanaovana tantely afa-drakotra.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.