Actualités

Orinasa afaka haba may teny Tanjombato Mpiambina iray no maty, olona 2.000 no mety ho very asa


  • Alarobia 14 Novambra 2018

Lehilahy iray teratany vahiny, lehiben’ny mpiambina ao amin’ny orinasa afaka haba OCM nirehitra ny alatsinainy alina teo no fantatra fa namoy ny ainy noho ny hasemporana nahazo azy.

 

 

 

  Mpiasa mihoatra ny 2.000 isa kosa no mety ho very asa,  izay marihina fa  misy mpivady ny ankamaroany ka nampitaraina fatratra azy ireo. Mbola nasain’ilay teratany sinoa tompon’ilay orinasa niverina avokoa mantsy izy ireo omaly maraina. Nisy anefa ireo nahazo filazana avy hatrany fa tsy maintsy miato amin’ny asany aloha. Misy kosa ireo mbola miverina indray anio alarobia. Anisan’ny orinasa goavana mpanamboatra lamba eto amintsika ity may ity toy ny atin’akanjo ho an’ny vehivavy izay hahavitan’izy ireo roa kaontenera  mirefy 12 metatra isanisany aondrana  mankany ivelany isan-kerinandro. Raha ny fanazavan’ny sampana mpamonjy voina dia olana ara-teknika teo anivon’ny orinasa no nahatonga ny firehetana ka nahamaizan’ny tranon’ny Filatex nofain’izy ireo. Niainga tamina kitay ny afo, niampita tamina lamba nivangongo ary niafara teny amin’ny valindrihana ka tsy voafehy intsony. Mbola nisy donak’afo teny an-toerana omaly antoandro. Tsiahivina fa tafakatra hatramin’ny 40 isa ireo trano may teto an-drenivohitra tato anatin’ny roa volana ka teny amin’ny faritra iva no tena betsaka niharany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT