Tsy mitsaha-mivoatra ny orinasam-pifandraisana Orange amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra omeny ny mpanjifa, indrindra fa ny internet ho an’ny rehetra.
Ho avy eto amintsika tsy ho ela ny 4G Orange vokarin’izy ireo, fitaovana izay efa nampiasaina nentina nanomezana fahafaham-po ny mpanao gazety tamin’ny fampitana ny vaovao teny amin’ny efitrano fandraisana fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo. Tanjona ny hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ankoatra ny hahatonga azy ireo ho mpiara-miombon’antoka voalohany amin’ny fanovana endrika ny famatsiana connexion manerana ny Nosy ho tombontsoan’ny rehetra, hoy i Michel Degland, tale jeneralin’ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar. Azon’ny orinasa rehetra ampiasaina io karazam-pitaovana iray vaovao 4 G io na ho an’ny orinasa madinika na ho an’ny orinasa salantsalany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.