Efa niakatra ambony sahady ny rano omaly tamin’ny faritra maro teto Antananarivo Renivohitra, toa an’i Besarety, Petite Vitesse, Ampefiloha, Isotry, Ankazomanga, Andravoahangy…
Vao orana 1 andro anefa iny. Efa nisy ihany ny fanadiovana ny tatatra nataon’ny kaominina saingy mbola maro ny olona manary fako tsotra izao ao anatin’ireny lakandrano ireny ka manentsina azy. Efa tery Antananarivo, efa maro be ny fanorenan-trano tsy manara-dalàna, efa tsy ampy ny tatatra sy lakandrano kanefa tsy mivaky loha fa manary fako anaty Dalle ihany ny mponina. Tsy mahagaga raha ho tondraka indray ny rano eto amin’ny janoary na febroary. Samy tompon’andraikitra amin’io ny tsirairay fa tsy hanomezan-tsiny lava ny kaominina sy ny fitondrana foibe raha ny fako narianao isan’andro any anaty tatatra no mampitohana ny fikorian’ny rano ka tondraka ny tanàna avy eo. Mila hamafisina ny fanentanana ataon’ireo tompon’andraikitra isaky ny fokontany sy ny boriborintany mba hahatonga saina ny olona fa tsy anaty tatatra no fanariana fako fa na anaty lava-pako na amin’ireo toerana efa voatokana hanariana izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.