Nanomboka ny 25 aprily ka hatramin’ny anio 28 aprily no andatsahana orana voatr’olombelona raha ny fanambaran’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro
. Antony ny mba hanampiana ny tosiky ny rano manodina ireo milina famokarana herinaratra any Andekaleka, Mantasoa Tsiazompaniry sy hanondrahana ny voly hoenti-manalefaka ny tsindrin'ny "atmosphère". Nifanindran-dalana tamin’izany anefa ny havandra be izay namotika zavatra maro, ka raha ny fanazavan’ny sampandraharaha mpamantatra ny ny toetr’andro na ny Meteo, dia vokatry ny tangoron-drahona matevina amin'ny faritra Antsinanan'i Madagasikara no niteraka ireny havandra namotika zavatra maro afak’omaly alina, izay mbola nitohy omaly hariva ireny. Nahatratra hatrany amin’ny 13-27sm ny hatevin’ny havandra tamin’ny faritra maromaro teto afovoan-tany. Nahitana bolongany lehibe ny tany Ankadivoribe sy ny faritra maro, ka nisy mihitsy ny tsy mbola levona omaly. Ny tany amin’ny distrikan’i Manandriana, dia ny 90%-n’ny fambolena no potika tsy nisy noraisina, ka tafiditra ao anatin’izany ny vary teny an-tsaha, izay efa madiva mena. Tapaka tao anatin’ny ora vitsy ny lalàm-pirenena faha-7 (RN7) omaly vokatry ny havandra sy ny rotsak’orana ihany. Vao mainka nanapy trotraka ny fahavoazana tamin’ny rivodoza Enawo, indrindra fa ny resaka famokarana ny voka-dratsin’ity orana narahina havandra, izay tena nisy lehibe tsy mbola fahita hatrizay ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.