Hatevina ny rotsak’orana ny 24 sy 25 febroary ho avy izao amina faritra maro eto Madagasikara toa an’ Atsinanana, Mangoro, Itasy,
Vakinankaratra, Amoron'i Mania, Vatovavy Fitovinany, Ambohimahasoa, Fianarantsoa, Anjozorobe, Antananarivo Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo, Antananarivo-renivohitra ary Andramasina
Jirama
Efa hanomboka hiasa ato ho ato ny toeram-pamokarana herinaratra eny Antanimenabe Behenjy, izay namindrana ireo gropy avy ao Antanandrano araka ny fanambaran’ny tale jeneralin’ny Jirama
Mpanendaka
Saron’ny polisy teo am-panendahana tao Bazary kely sy tao Tanambao V ireto tovolahy miisa 3. Ny roa tratra ny zoma, ny iray sarona ny sabotsy. Niakatra fitsarana omaly alatsinainy avokoa izy rehetra ireo, izay samy miandry fitsarana am-ponja vonjimaika avokoa.
Rongony
Rongony voafono tsara tao anaty harona plastika ary milanja 46 kg mahery kely no tratra tamin’ity ramatoa iray tao Tanambao V –Toamasina. Voalaza moa fa ity ramatoa ity dia anisan’ireo mpamongady rongony ao Toamasina, ka avy any Toliara ny fakana izany izay entin’ny taksibrosy na kamiao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.