Actualités

Oram-be tany Mahajanga Fianakaviana 47 tsy manan-kialofana


  • Sabotsy 27 Febroary 2016


 

Anisan’ireo fokontany mitondra faisana rehefa andro fahavaratra ny fokontany Tsararano sy Fiofio ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga. Omaly maraina teo dia oram-be mivatravatra no niseho tao an-toerana. Anisan’ireo fokontany dibo-drano tao Tsararano ary nahitana traboina maro. Nahatratra 47 ireo fianakaviana tsy manan-kialofana ary voatery tsy maintsy niala ny toerana nipetrahany noho ny fiakaran’ny rano. Nafindra toerana amin’ny sekoly sy ny tranon’ny fokontany izy ireo. Misy anefa no misafidy mijanona mba tsy hisy haka ny entany. Hatramin’izao dia tsy nisy na iray aza ny fijerena ifotony ireo vahoaka dibo-drano na dia efa nanao antso avo amin’ny mpitondra aza izy ireo. Olana mateti-piseho ao Tsararano ity fahadoboana ity noho ireo tatatra tsentsina.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT