Notanterahina ny 16 ka hatramin’ny 23 septambra lasa teo tany Antsirabe ilay hetsika opération smile nentina nandidiana ireo olona vaky lanilany na sima. Ireo ankizy madinika no tena nahazo tombontsoa tamin’ity.
Nahatratra 154 izy ireo raha 330 kosa ireo notiliana. Maimaimpoana avokoa ny fandraisana an-tanana natao niarahana tamin’ireo mpitsabo manampahaizana manokana momba ny fandidiana iraisam-pirenena. Tsy nanadino azy ireo ny orinasa Star. Nisy mantsy ny fanolorany rano Eau vive 2.500 tavoahangy nentina nanampiana azy ireo, indrindra taorian’ny fandidiana natao. Narahin’ity orinasa iray ity ny fanavaozana ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta izay marihina fa efa naharitra ela tokoa. Tsiahivina fa ny taona 2007 no tonga voalohany teto amintsika ny opération Smile. Fandidiana mihoatra ny 2.000 isa no efa natao, indrindra fa ho an’ireo ankizy sy tanora lasibatra vokatry ny tsy fahatomombanan’ny fivoarany tany an-kibo, anisan’izany isika teto Antananarivo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.