Rakotra fianakaviana marefo i Madagasikara indrindra manoloana izao areti-mandoza sy mandringana Coronavirus izao. Antony nanaovana ny Opération Smile andiany faha-13 natao tany amin’ny CHRR Hopitaly Atsimo Antsirabe.
Ny Fondation Telma no tompon’antoka ary manohana tanteraka ny asa ataon’ireo fikambanana izay miaro sy manampy ireo olona marefo. Mandritra ny 7 andro no nanaovana ity hetsika Opération smile ity tany Antsirabe ary nanaovana fandidiana maimaim-poana tamin’ireo olona sima sy manana ny tsy famatomombanana eo amin’ny tarehy. Tamin’ity hetsika ity dia miisa 14 ireo firenena nandray anjara ary 141 ireo marary nodidiana ka saika ireo mponina marefo ara-pivelomana no noraisina an-tanana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.