Actualités

Opération fahalemana- Antanimora atsimo Tovolahy iray novonoin’ny miaramila


  • Alakamisy 22 Oktobra 2015

Maloto indray ny miaramila mpampandry tany amin’ny Opération Fahalemana any Antanimora atsimo.

 

 Omaly maraina mantsy dia novonoin’ny  miaramila ao ambany fitarihan’ny kolonely  iray izay misahana ny hetsika  fahalemana any amin’ny faritra  Androy sy Anosy iny i  Bénéfice, tovolahy iray 15 taona izay tokony haterina  any amin’ny  fitsarana any Ambovombe fa saika handositra, hono.

Tanam-polo

Nanaitra  ihany  moa ity tantara ity satria  i Bénéfice dia efa  tao amin’ny brigadin’ny zandary tao Antanimora io  miandry ny hitondrana azy any  Ambovombe io ary tsy misy fiadiana eny aminy. Araka ny fanazavan’ny olona mahalala ny  raharaha dia efa nahalala tsara i Benefice fa miandry azy any amin’ny fitsarana any  Ambovombe ny dadatoany antsoina hoe Nanahiazo. Ny fiandohan’ny tantara raha iverenana kely dia nisy olona mipetraka any  Esira nametraka  fitoriana tany amin’ny fitsarana ny 22 aprily 2014 fa very ny ombiny. Rehefa  natao ny fikarohana dia  fantatra fa kotro  tonga saina  na dahalo niova fo ilay dahalo mpangalatra antsoina hoe  Rebagna ka tsy  nosamborina  intsony.Mandritra izao  hetsika fahalemana  izao anefa dia nilaza  ireo  very omby fa hitany  any  anaty valan’i Nanahiazo any Antanimora  ny  ombiny. Niantso  vonjy  tamin’ny mpanao hetsika  fahalemana izy ireo ka ny  12 oktobra lasa teo dia nalain’ny miaramila tany anaty  valan’i  Nanahiazo ny omby 139 sy entana  maro hafa. Tsy tao an-toerana ny tompon’omby fa ny  zana-drahalahiny i Bénéfice no  mpiandry omby tao. Nentina koa i Bénéfice niaraka tamin’ny omby. I Nanahiazo  tompon’ny omby amin’io fotoana io efa tonga nitaraina tany amin’ny lehiben’ny  fampanoavana  tany Ambovombe nanazava ny  zava-nisy araka ny fitantaran’ny  havany taminy.

Tsy manara-dalàna intsony

Nantsoin’ny fitsarana ilay kolonely  mpitarika ny  hetsika  mba  hampiditra ny  omby rehetra ao amin’ny  brigady Antanimora  ary  hitondra ireo olona voasambotra any  amin’ny fitsarana any  Ambovombe. Sendra faran’ny herinandro moa ny raharaha   sady mbola tany Betroka ihany koa ilay kolonely  lehiben’ny hetsika  fahalemana ka tsy ho afaka hitondra an’i Benefice any Ambovombe raha tsy omaly. Ireo  omby  kosa tsy  tonga  ao amin’ny zandary ao Antanimora hatramin’izao fa mbola miraoka  ahitra lavidavitra, hono. Ankoatra ny  nahafaty  an’ilay  tovolahy 15 taona  dia nahalasa saina ny olona  nahalala ny fizotran’ny tantara ny hoe naninona no tsy nanana eritreritra ny hanatitra ny omby 139 any amin’ny  brigadin’ny  zandary  mba  hatao fourrière ilay kolonely raha tsy  nantsoin’ny lehiben’ny  fampanoavana  avy any Ambovombe kanefa izay  no lalana tokony hizoran’ny omby atao « perquisition » araka ny fanazavan’ny mahay azy. Ny mampanahy dia ny tsy  hanarahan'ny miaramila mpampandry tany ny fepetra sy ny lalàna misy intsony fa samy manao izay hitany   fa mety ny manana basy, hany ka lasa fahefan'izay mipoaka  sisa no misy.

Rabri      

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT