Kaominina maromaro mivondrona ao anatin’ny OPCI Ikopa tarihin’ny filohany Marc Ramiaranjatovo izay sady Ben’ny tanànan’ny Kaominina Alasora no fantatra fa hisitraka ny fahazoana ilay tetikasa lalankely III vatsian’ny Masoivoho frantsay momba ny fampandrosoana (AFD) vola.
Hanomboka amin’ny novambra ho avy io ny fanadihadiana mikasika izany. Nitombo avo dimy heny ny famatsiam-bola raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Hanome fiofanana ireo Ben’ny tanàna mpikambana ao amin’ny OPCI Ikopa ihany koa ny AFD, mba hahafahana manatsara ny fitantanana ny Kaominina, araka ny fanazavan-dRamiaranjatovo Marc, anisan’ireny ny vola miditra amin’ny alalan’ny fitakiana ny hetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.